Niainga tamin’ny filàna andavanandron’ny orinasa izay lasa niakatra be ny solika nilaina no nanaitra ny sain’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Jirama ao Nosy-Be. Nametraka ny ahiahiny tamin’ny zandary ny mpitantana ary nanokafana fanadihadiana nanomboka teo ny raharaha. Naraha-maso tsy an-kiteniteny ary dia tsikaritra tokoa ny fisian’ny halatra. « Fito lahy no tra-tehaka nangalatra gazoala (…) mpiasan’ny Henri Fraise, tompon’ny milina famokarana herinaratry ny Jirama ny telo amin’izy ireo, roa kosa avy ao amin’ny Jirama ary mpiambina ny roa ambiny. Ireo farany dia tafatsoaka ary mbola karohina hatramin’izao » raha araka ny fizaram-baovao avy amin’ny Jirama. amin’izao fotoana izao. Ny dimy tamin’ireo dia tratra teo am-pitaterana ireo solika halatra. Naiditra am-ponja vonjimaika ny roa tamin’ireo mpiasan’ny orinasa Henri Fraise sy ny iray tamin’ireo mpiasan’ny Jirama, raha arakany fampitam-baovao hatrany. Ny alin’ny zoma lasa teo no nanomboka tsikaritra ny fihetsika hafahafa avy amin’ireo mpiasa ireo, indrindra fa mitondra « jerricane » izy ireo. Rehefa natotaly dia nisy fito ny « jerricane » feno solika izay azon’ireo olona tamin’io fotoana io. Raikitra ny fitsoahana raha vao tonga ny zandarimaria. « Isan’ny ady lehibe atrehan’ny mpitantana eo anivon’ny Jirama ankehitriny ny fanafoanana ny halatra ara-teknika sy tsy ara-teknika, izay mandatsaka an-katerena ny orinasa tato anatin’ny taona maro » raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’io orinasam-panjakana io.
D.R