- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpandroba sady mpanamboatra basy

Toamasina : Mpandroba sady mpanamboatra basy

Manan-talenta ny lehilahy saingy nampiasainy tamin’ny asaratsy. Voasambotra ihany izy rehefa nifampitadiavana ary olon-tsotra no nanondro izay misy azy. Nanaovana bemidina tao an-tranony ary sarona tao ny basy vita gasy iray sy ny fitaovana fanamboarana an’izany. « Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa avy any Tsiroanomandidy ity lehilahy ity ary efa nanaovany fanafihana mitam-piadiana tany an-toerana io basy io, saingy tafatsoaka izy rehefa nenjehin’ny fokonolona » raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisy. Efa nampiasainy arak’izany io basy io ary raha ny fijerin’ny mpitandro ny filaminana ilay fitaovam-piadiana dia tena mahafaty olona tokoa izany. Sady manafika izany no manamboatra basy ity lehilahy ity ary izay no anto-pivelomany amin’ny andavananondrom-piainany. Mitobaka ny basy vita gasy ary tsikaritra aza fa ny firoboroboan’izany no mitarika ny asan-jiolahy etsy sy eroa, indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra. Tsy ny basy ihany no misy mahavita fa ny bala izay ampiasaina amin’izany koa. Raha tsy voafehy haingana izany dia vao mainka mananosarotra ny fiadiana amin’ny asan-jiolahy. Momba ity iray izay voasambotra tany Toamasina dia mbola teo am-pikasàna ny hanamboatra basy iray hafa izy no sarona. Midika izany fa mampidi-bola hoazy ny orinasany. Orinasa izay loza mitatao amin’ny sehatry ny filaminam-bahoaka raha tsy sarona teo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici