Andrin-jiron’ny JIRAMA iray ao Fokontany Maromoka Vavaraoly, Kaominina ambanivohitra Ambohimandroso, Distrikan’ Antanifotsy no nianjera ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Latsaka tamin’ny tany ny tariby mitondra herinaratra ka nitondra loza teo amin’io fokontany io. Tovolahy 24 taona no namohy ny ainy, lehilahy tokony ho 49 taona kosa maratra mafy.
Lehilahy 24 taona nandeha bisikileta no maty tsy tra-drano teo amin’io toerana io ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny valo ora maraina. Araka ny loharanom-baovao dia saika ho an’ny Ambohimandroso rahalehilahy haka ronono ho amidy. Rehefa nanitsaka tsy nahy ny ariby mitondra herinaratra anefa izy dia maty teo no ho eo. Nitsipaka niaraka tamin’ny bisikileta sy ny « bidon » saika ho asiana ronono izy. Nampandre aingana ny manam-pahefana ny mponina ka nidina teny an-toerana ireo nanao ny fanadihadiana manontolo. Avy eo naterina tany amin’ny fianakaviany ny razana.
Ankoatra io, dia raim-pianakaviana iray hafa tratra alina, nandeha tongotra no navoahitsaka ny tariby ka may ny tratrany, ny tongony, ny tarehiny ary ny filahiany. Voa mafy tokoa izy ka nalefa tao amin’ny hopitalin’Ambohimandroso. Voatery nalefa any amin’ny hopitalin’Ambatolampy anefa izy noho ny fery be loatra. Araka ny fanadihadiana dia ny fahateran’ny foto-drafitr’asa no anton’ny loza. « Efa antitra dia antitra tokoa ilay andrin-jiro ka izany no heverina nahatonga ny loza », hoy ny manam-pahefana iray nanatri-maso nitantara. Tohana dia tohana ny fianakavian’ireo niaram-boina ka nitory ny JIRAMA. Ny mpitandro filaminana ao Ambohimandroso no mandray an-tanana ny raharaha. Mitohy ny fanadihadihana.
Voarisoa Davidson