- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversRamatoa maty voadona tetsy Ivandry : Mbola karohina ny mpamilin’ilay zotra 150

Ramatoa maty voadona tetsy Ivandry : Mbola karohina ny mpamilin’ilay zotra 150

Hatreto, araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny polisim-pirenena, dia mbola tsy hita ilay mpamily fiara mpitatitra zotra 150, nahafaty olona tetsy Ivandry.

« Maty tsy tra-drano ilay ramatoa lehibe voadona ary ny mpamilin’ilay fiara nandona kosa dia nirifaratra nandositra raha vantany vao nahatsikaritra izany (…) Niroso avy hatrany amin’ny fikarohana ity mpamily ity ny pôlisy taorian’izany,  araka ny fantatra hatreto dia avy any Ambatolampy ity lehilahy karohina ity » hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy. Raha tsiahivina ny zava-nisy, ny alin’ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora latsaka tany ho any dia nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tetsy Ivandry, akaikin’ny « rond point », ampitan’ireo mpivarotra voninkazo. Ramatoabe iray, avy niantsena, an-dalana hamonjy ny tokantranony no voafaokana taxibe  mampitohy an’ Analakely sy Mahatony. Voalaza fa niampita tampoka ilay ramatoabe, ary tsy hitan’ilay mpamily. Voadona mafy mihitsy izy ary nipitika lavitra ny toerana niampitany. Ilay fiara mpitatitra kosa efa tafavoaka an’ilay « rond point » vao tafajanona. Maty tsy tra-drano teo moa ity vehivavy lehibe ity, noho ny dona nahazo azy.

Ho an’ireo mpindrana iny làlana iny, dia mahatsikaritra fa somary maizina izany ny làlana, raha vao mirotsaka ny alina, eny fa na dia eo aza ny hazavan’ireo andrin-jiro. Mazana dia tsy ahitana akory izay olona miampita tampoka, indrindra moa fa hoe efa somary vitsy ny fiara mandalo ary voataratry ny jiron’ireo fiara hafa mifanena. Na izany na tsy izany anefa, efa mampiaiky volana ny rehetra mihitsy ny ataon’ireo mpamily sasantsany ao amin’ity zotra iray ity : ny fandehanana mafy, ny fifanenjehana eny an-dalana, fa indrindra ny fitsoahana andraikitra raha vao mahavoadona fiara na olona. Vao tsy ela akory mantsy izay, teny Amboniloha, fiara kely iray no nodomina taxibe zotra 150 nifanenjika. Tsy nijanona akory ilay fiara mpitatitra vao mainka nanamafy ny hafainganam-pandehany, nanohy ny diany nandositra mihitsy. Sendran’izay mpamily tsy vanona, moa etsy andanin’izay, ilay laharana hiantsona ny kaoperativa mipetaka amin’ny fitaratra efa misy rovitra, ka hany herin’ny tompon’ny fiara dia nanamboatra izay simba sisa. Iarahan’ny rehetra mahalala rahateo ihany koa, ny fahasarotan’ny fikarakarana ny fiantohana eto amintsika. Lany andro amin’ny fivezivezena sy fikarakarana antontan-taratasy maro kanefa tsy misy vokany akory. Tsy maintsy mahita hirika hialàna foana ireo tranom-piantohana sasany. Zary haingona taratasina fiara sy fampiseho amin’ny mpitandro filaminana sisa hilàna ny taratasim-piantohana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici