- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversHain-trano tao Ambolomadinika : Manahy fandoroana niniana natao ireo traboina

Hain-trano tao Ambolomadinika : Manahy fandoroana niniana natao ireo traboina

Trano 12 sy fianakaviana 16 no traboina tsy fidiny noho ilay hain-trano tsy fanta-piaviana nitranga tao Ambolomadinika, ny zoma tokony ho tamin’ny 09ora sy sasany teo. Isan’ny may tamin’izao hain-trano izao, ny tranon’i Marcelline vady navelan’i Tombo Daniel valiha izay sady mpiserasera ihany koa, sy i Berthrand ilay mpitendry valiha ao anatin’ny tarika vakodrazana tarihan’i Marcelline ankehitriny. Raha ny fanazavan’ilay Ramatoa niandohan’ny afo dia fotoana mbola tsy fandrehetana afo mihitsy ny tao aminay tamin’io fotoana io. Ny tena nahagaga ihany koa dia ny “Rideau” teo amin’ny efitrano misy an’ilay ramatoa sy ny fandriany no niredaka mialoha, nefa faritra tsy misy herinaratra akory ilay izy. Nandritra izany anefa satria tsy nisy nahatsikaritra ny zava-nisy ireo zafiny mpijery fahitalavitra ao aminy, dia mbola nandeha tsara ny fahitalavitra na teo aza ilay firehetana. Efitra hafa mihitsy mantsy no misy ny kaontera ho azy ireo. Olona tety ivelany no nanaitra ny tao amin’ity trano ity vao samy taitra ny rehetra tamin’ny firehetana araka ny fanazavana. Nanamafy io ahiahy ny traboina amin’ny fandoroana niniana natao ity ny tenin’ny filohan’ny fokontany izay tao an-trano no sady biraony niresaka taman’olona ny fahenoany fipoahana moramora nefa raha nivoaka nijery izany izy ireo dia afo be no hitany. Mifanila amin’ity trano nirehitra voalohany ity ny trano no sady birao fiasan’ity filohan’ny fokontany, ka ny famonjena ireo lisi-pifidianana sy ireo kara-pifidianana tsy mbola nisy naka ary ny taratasim-pokontany no nataony, fa ny entany kosa dia tavela may hotohoto avokoa afa –tsy ny findainy sy ny lamba teny an-kodiny. Ny sabotsy teo no tonga nanatitra fanampiana  ireto traboina i Nantenaina ka vary 12 gony sy simenitra 24 lasaka ary fanitso 50  ankoatra ireo kojakojam-piainana ilaina an-davanandro. Toraka izany koa ny IMT tarihan’i Yvan Fabius; izay nanampy ireo ankizy may fitaovam-pianarana  hiditra hianatra anio alatsinainy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici