- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversIkopa : Olona 3 maty an-drano , omaly

Ikopa : Olona 3 maty an-drano , omaly

Asa na noho ny hafanan’ny andro ka maro ireo olona no mifamezivezy eny amin’iny ranon’Ikopa iny amin’izao fotoana izao. Izany anefa dia mitera-doza matetika, toy izay nitranga ny andron’ny omaly alahady. Olona telo be izao no namoy ny ainy tao amin’io renirano io nandritra  ny tolakandro. Ny voalohany,dia nitranga tamin’ny 12ora 47 minitra. Lehilahy iray no latsaka tao anaty rano ary nilentika teny amin’iny faritra Filatex Tanjombato iny. Tao aorian’ny fikarohana izay naharitra ora 1 sy 10 minitra nataon’ny mpamonjy voina dia ny vatana mangatsiakany sisa no nakarina avy tao anaty rano. Ny faharoa dia lehilahy 25 taona teny amin’ny manamorona ny Art Malagasy eny  Andohatapenaka. Tamin’ny 2 ora sy 30 minitra tolakandro no voalaza fa nilentika  tao anaty rano io olona io ka adiny iray taty aoriana vao hita ny fatiny.  Araka ny filazan’ny mpamonjy voina, dia nilomano no nahavoa io olona io, satria tsy niakanjo izy fa « caleçon » ihany no teny an-kodiny.  Mbola teny amin’ny faritra Filatex Tanjombato ihany ny fahatelo. Lehilahy iray 25 taona nisasa no nianjera tampoka tao anaty rano. Tamin’ny 4 ora sy 30 minitra teo ho eo no nitranga ny loza. Dimy ireo mpamojy voina niantsoroka izany asa famonjena rehetra izany.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici