- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy tsy hita, notsimponina teny amin’ny lohasaha ny taolam-balony

Antsirabe : Lehilahy tsy hita, notsimponina teny amin’ny lohasaha ny taolam-balony

Lehilahy iray antsoina hoe Ra-Tafika monina eny Antsampanimahazo no tsy hita ny faha 2 oktobra lasa teo. Niala tao an-tranony izy  tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina, nitondra vola 10000ariary sy “lampe de poche”ary tsy niverina intsony. Niezaka nikaroka azy ny fianakaviany saingy tsy nisy nahita.  Ny Alakamisy 24 oktobra lasa teo nisy  mpiandry omby nahita karandohan’’olona tao ambany tetezan’ny Sahatsiho, nampandrenesina ny fokontany sy ny mpitandro filaminana ary natao ny fizahana. Hita tsy lavitra teo amin’io karan-doha io ihany koa ny akanjo nanaovan-dRa-Tafika tamin’ny fotoana nahitana azy farany. Nampandrenesina ny fianakaviana fa hita ny akanjon’ny havany.  Akory  ny hatairan’ny fianakaviany raha nahita ilay karan-doha fa tena ny havany io hita io,  ny filahatry ny nifiny sy ny firafitry ny lohany no marika namantaran’ny fianakaviana azy.  Nokarohana ny manodidina rehetra, lohasaha roa teo Sahatsiho no nanaovana izany ka taolana vitsivitsy monja  sisa hita.  Marihina fa nokikisana toy ireny nakana nofo ireny ireo taona sisa hita ireo ary mbola nisy fofona hoy hatrany ny fianakavian’ny maty. Nanohy ny fikarohana  ny fokonolona sy ny fianakaviany ary hita tao anaty kirihitra ny patalohan’ny maty, niaraka tamin’ny findainy tao ampaosiny, sy ilay vola 10 000ariary,  manamarina izany fa teny Ra-tafika tokoa ity hita ity. Ankoatra izay mbola hita ihany koa ny akanjo nanaovany sy ny “lampe de poche”. Midika izany fa tsy nisy nanendaka izy fa dia vono olona tsotra izao ary nomarihan’ny fianakaviany fa tsy nahitana rà ny fitafiany. Niteraka resa-be ireo taolam-balo hita ireo satria raha  ny angom-baovao natao dia faha 20 ny faty hita teo ity hita ity. nomarihan’ny fianakaviany fa nisy  taolan’olona maromaro hita tao amin’io lohasaha io izay tsy an’I Ratafika akory fa hafa mihitsy. Ny nahagaga ny fianakaviany ihany koa dia tsy tao intsony ny atidohan’ny havany fa tena nosokirina mihitsy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici