- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Mpiloka an-dalambe 19 nosamborina

Isotry : Mpiloka an-dalambe 19 nosamborina

Olona miisa 19 teo ho eo no noraofin’ny pôlisy teny amin’iny faritra Isotry sy ny manodidina iny noho ny resaka filokana an-dàlambe. Tsiahivina hoy hatrany ny fanazavana azo avy amin’ny pôlisim-pirenena fa voararan’ny lalàna eto amintsika izany.

« Anisan’ny mampimenomenona ireo mponina hiadidian’ny polisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra, ny fisian’ireo andian-jatovo manao filokana an-dalambe. Ankoatran’ny fahasorenana noho ny fitenenan-dratsy sy ny tabataba ary matetika ny korontana sy fifamaliana ateraky ny loka dia tsiahivina ihany koa fa raràn’ny lalàna ny filokàna an-dàlambe ka noho izany indrindra dia nidina teny an-toerana ny Polisy CSP4 ary nandray andraikiny avy hatrany manoloana izany » hoy ny fanazavàna azo. Ny alahady teo no nidina ifotony teny an-toerana, tao amin’ny tsenaben’Isotry ireo pôlisy ka io nisambotra io avy hatrany. « 18 taona no kely indrindra ary 40 taona no lehibe indrindra tamin’izy ireo. Nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisaria izy 19 lahy ireto nanaovana fanadihadiana ». Nojerena tsirairay moa ny momba ireo olona ireto ary nampitahaina amin’ny tarihin-keivtra tao amin’ny kaomisaria. « Nampahafantarina azy ireto ny maha voarara ny filokàna an-dalambe satria dia maro no tsy mahalala izany tamin’izy ireo. Sokajiana ho toy ny heloka madinika (simple contravention) ny filokana an-dalambe. Ny polisim-pirenena dia tsy voatery ho mpanasazy fa mpanabe ihany koa. Ireo izay mazava sy tsy mampiahiahy kosa ny momba azy dia navotsotra taorian’ny fanadihadiana » hoy hatrany ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici