Trano 12 tafo, ary fianakaviana 16 no tra-boina tsy fidiny noho ilay hain-trano tsy fantam-pihaviana nitranga tao Ambolomadinika ny zoma tokony tamin’ny 09ora sy sasany teo. Isan’ny may tamin’izao hain-trano izao ny tranon’i Marcelline vady navelan’i Tombo Daniel valiha izay sady mpiserasera ihany koa, sy i Berthrand ilay mpitendry valiha ao anatin’ny tarika vakodrazana tarihan’i Marcelline ankehitriny. Raha ny fanazavan’ilay Ramatoa niandohan’ny afo dia fotoana mbola tsy fandrehetana afo mihintsy ny tao aminay tamin’io fotoana io. Ny tena nahagaga ihany koa dia ny “Rideau” teo amin’ny efitrano misy an’ilay ramatoa sy ny fandriny no niredaka mialoha, nefa faritra tsy misy herinaratra akory ilay izy. Nandritra izany anefa satria tsy nisy nahatsikaritra ny zava-nisy ireo zafiny mpijery fahitalavitra ao aminy dia mbola nandeha tsar any fahitalavitra na teo aza ilay firehetana. Efitra faha mihintsy mantsy no misy ny kaontera ho azy ireo. olona tety ivelany no nanaitra ny tao amin’ity trano ity vao samy taitra ny rehetra tamin’ny firehetana araka ny fanazavana. Nanamafy io ahiahy ny tra-boina amin’ny fandoroana niniana natao ity ny tenin’ny filohan’ny fokontany izay tao an-trano no sady biraony niresaka taman’olona ny fahenoany fipoahana moramora nefa raha nivoaka nijery izany izy ireo dia afo be no hitany. Mifanila amin’ity trano nirehitra voalohany ity ny trano no birao fiasan’ity filohan’ny fokontany, ka ny famonjena ireo lisi-pifidianana sy ireo kara-pifidianana tsy mbola nisy naka ary ny taratasim-pokontany no nataony fa ny entany koa dia tavela may hotohoto avokoa afa –tsy ny findainy sy ny lamba teny an-kodiny. Ny sabotsy teo tonga nanatitra fanampiana fanampiana ireto tra-boina i Nantenaina ka vary 12 gony sy simenitra 24 lasaka ary fanitso 50 isa ankoatra ireo kojakojam-piainana ilaina an-davanandro. Toraka izany koa ny IMT tarihan’i Yvan Fabius izay nanampy ireo ankizy may fitaovam-pianarana izay miditra mianatra anio alatsinainy.
Malala Didier