- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Taxi-brousse nivadika, olona efatra maty, 12 naratra mafy

Ankazobe : Taxi-brousse nivadika, olona efatra maty, 12 naratra mafy

Nandriaka indray rà tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, omaly. Fiara mpitatitra mampitohy an’i Bealalana sy ny renivohitra no nivadika teo Antolojanahary, ao amin’ny kaominina Mahavelona, distrika Ankazobe. Vokany, olona efa indray namoy ny ainy : renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany roa, ary lehilahy iray. Mpandeha am-polony any ho any kosa no naratra mafy vokatr’izay. Araka ny fanazavàna azo avy amin’ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny dia fantatra fa mbola vokatry ny fandehanana mafy ihany no nahatonga izao loza izao. « Nipoaka vokatry ny fandehanana mafy ny kodiarana alohan’ny fiara. Tsy voatanan’ny mpamily intsony ny familiana ka dia nivadibadika ary nivarina tanaty hantsana avy teo ilay taxibrousse » hoy ny fanazavana nomen’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Ankazobe. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina teo ho eo no niseho io loza io ary handeha hiakatra hihazo ny Renivohitra ilay fiara. Potika tanteraka tsy nisy azo noraisina ity farany tao aorian’ny fivadibadihany. Maty tsy tra-drano vokatr’izany moa ireo olona efatra ireo, rehefa notsindrian’ny entana sy karaom-by tao. Niisa teo amin’ny 12 teo kosa ireo olona naratra, ka ny sasany tamin’izy ireo no tena voa mafy ka tsy maintsy nampiakarina, raha ireo hafa, nalefa avy hatrany tao amin’ny hôpitaly tao Mahitsy. Nidina teny an-toerana, nijery ifotony ny zava-nisy sy nanampy tamin’ny famonjena moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana. Ilay mpamilin’ny fiara kosa fantatra fa tsy dia naninona ary nentina avy hatrany natao fanadihadiana sy nanaovana andrimaso any amin’ny biraon’ny zandary. Marihana, hoy hatrany ny zandary, fa tsy misy afa-tsy resaka fandehanana mafy mazàna no mahatonga ny loza eo amin’io toerana io. Fandehanana mafy izay mazàna mahatonga fahavoazana ara-teknikan’ny fiara. Ary saika ireo fiara avy any Avaratra handeha hianatsimo no matetika tra-doza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici