Nirefotra ny « container » fampiasain’izy ireo amin’ny halatra solik a. Tombotsoa Ruffin (serza miaramila), 21 taona ; Raharimalala Danielson, 45 taona ; Rahanja Harison Gaetan, 30 taona saofera taxi, ireo no anaran’ireo maty. Nisy iray hafa ihany koa hita tao anatin’ny « container » rehefa maty ny afo. Omaly dia mbola miady aman’aina i Zaho Victor, 30 taona; Erneste 38 taona; Jean Pierre 25 taona; ary Roger 25 taona. May tanteraka ireo namoy ny ainy ary noho ny fahasemporana vokatry ny etona simika nandritra ny fipoahana kosa no antony naha-taraiky ireo mbola velona.
JC Steve