- Publicité -
samedi, septembre 13, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Voasambotra i Zaka mpanao « kidnapping »

Tsaratanàna : Voasambotra i Zaka mpanao « kidnapping »

Noho ny fifanomezan-tànana nisy teo amin’ny mpitandro filaminana sy olona tsara sitra-po nanome loharanom-baovao marim-pototra, dia voasambotry ny miaramila tao Manakana, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Andriamena, Distrikan’i Tsaratanàna, afak’omaly maraina,  i Zaka izay lehiben-dahalo ikoizana amin’ny resaka fakana an-keriny sy halatra omby ary fanolanana any amin’ny tapany atsinanan’ny Faritra Betsiboka iny. Araka ny fanazavana azo, dia efa ela ity lehiben-dahalo tanora raindahiny malaza ratsy amin’ny herisetra sy asa fampihorohoroana ity no nokarohina. Tsy nandaitra intsony anefa teto ny ody gasy mahery fampiasany, ka izao azo sambo-belona izao i Zaka,  tafaporitsaka kosa ireo namany, izay karohina fatratra sy atao hazalambo ankehitriny.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici