- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe Angarangarana : Jiolahy nanafika, najifa ny vola 4 225 000 ariary

Anosibe Angarangarana : Jiolahy nanafika, najifa ny vola 4 225 000 ariary

Ny marainan’ny alatsinainy lasa teo, tany ho any amin’iray ora, no nisy andian-jiolahy 7 nanafika tao amin’ity tokantrano iray. Trano lehibe iray moa no misy ireto mpiara-monina ireto ary samy mpivarotra avokoa, sady mpihavana ihany koa. Tokantrano 4 samy hafa izy ireo. Tonga dia nizara ireto jiolahy nanao ny fanafihana ka ny 3 tamin’izy ireo no nisaron-tava fa ny efatra kosa hita endrika tsara. Nanambana basy ny tao an-trano izy ireo tamin’izany ka nitaky tamin’izy ireo ny hamoahany ny vola.

Tsy naharesy tosika an’ireto mpanafika ny tao an-trano ka voatery namoaka ny vola izay nitsinjara ho 4 tapitrisa ariary, 70 000 ariary, 90 000 ariary ary 6 5000 Ariary tao amin’ilay tokantrano farany . Vao azon’ireto jiolahy ny vola dia lasa nirifatra nandositra izy ireo .

Tsy nisy kosa ny fandratrana sy ny famonoana. Ny voatafika rahateo tsy nanohitra fa dia natahotra ny ainy. Efa eo am-pelatanan’ny manampahefana tompon’andraikitra moa ny raharaha amin’izao fotoana izao ka avy amin’ireto jiolahy tsy nisaron-tava no mety ho fanantenana hahitana ny sasany, satria tadidin’ireo voatafika tsara ny endrik’izy ireo. Mety ho olona mahalala azy ireo tsara ihany koa ka mahafantatra fa misy vola ao an-trano amin’izay fivarotana ataony.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser