Maro ny olana ara-pahasalamana misy ankehitriny ateraky ny fiakaran’ny maripana diso tafahoatra izay mampikaikaika ny rehetra, ka ireo ankizy marefo sy ny be antitra no tena lasibatra amin’ny findangan’ny hafanana. Afak’omaly, lehilahy iray voalaza fa manao asa an-tselika mpibata entana ao bazary Tanambao no namoy ny ainy vokatry ny hafanana nidanika loatra. Raha ny vaovao voaray, mamo avy namonjy fetin’ny maty ity tovolahy sahabo ho 30 taona eo ity. Zara raha nahazaka tena nody izy, ka rehefa tonga teo an-tokotaniny dia nitolefika. Nihevitra ny havany fa natory izy fa mamo. Afaka adiny roa taty aoriana, nofohazin’ny anabaviny izy mba homena sakafo sy ampisotroina rano, nefa tsy nisy aina intsony.
Eric Manitrisa