Tranga hafakely no nitranga teny Alasora. Niakaran’ity raim-pianakaviana ity ny rindrim-bato manasaraka ny tranony amin’ny mpifanolobodi-rindrina aminy ka notapenany tamin’ny « béton » ireo bizo rehetra mitondra ny ranonorana avy ao amin’io tokantrano io. Ity farany no eo ambony ary izy ireo ihany koa no nanamboatra sy tompon’ny rindrim-bato sy ny bizo ary ny tatatra lehibe izay mipetraka eo amin’ny tehezan’ny rindrim-bato. Ilay raim-pianakaviana kosa no mipetraka eo ambany. Rehefa avy ny orana, dia ampifandraisin’ilay tatatra ny ranon’orana mivoaka amireo bizo ka mivarina mianavaratra. Nasian’ny tompony fefy biriky vita milalotra simenitra tsara ilay tatatra mba tsy hiparitaka any amin’ilay tanàna eo ambany ny rano. Araka ny fantatra dia nifanaraka ny roa tonta, eo ambony sy ambany, fa halefa mivarina mianatsimo indray ny ranon’orana rehetra mianjera ao anaty tatatra ka ry zareo ao ambony, izay tompony ihany, no hanao ny asa. Ny sabotsy teo no tokony nanaovana izany. Tsy nahandry io andro io anefa ilay raim-pianankaviana fa tonga dia niakatra an-tsokosoko tao amin’ny rindrimbato izy ka nanao izao fanentsemana bizo izao. Tsy nipetra-potsiny noho izany, ilay tompon’ny rindrimbato fa nitondra ny raharaha eny amin’ny polisy. Fialonana tsotra izao, hoy ny mpitazana no mety nahatonga izao sotasota izao. Tsy azon’ity raim-pianakaviana ity an-tsaina tokoa angamba fa raha dibo-drano ry zareo ambony dia izy ao ambany ihany no ho voa mafy amin’izao fihetsiny izao.
T.M.