- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-Divers« Boulevard de l’Europe » : Ankizy mpianatra maty nodomin’ny kamiao

« Boulevard de l’Europe » : Ankizy mpianatra maty nodomin’ny kamiao

Nandriaka indray ny rà tetsy Tsaramasay, tamin’iny lalan’i Boulevard de l’Europe iny omaly maraina tokony ho tamin’ny valo ora latsaka tany ho any. Ankizivavy kely iray, vao valo taona monja no maty tsy tra-drano rehefa voafaokan’ny kamiao lehibe iray, nitondra biriky. Araka ny angom-baovao azo teny an-toerana dia niampita arabe ity ankizy kely ity no nandalo ilay fiarabe. Tsy fantatra mazava teo izay tena nahatonga ny loza. Ao mantsy ireo niteny hoe niampita tampoka ilay  ankizy kely, tsy tazan’ilay mpamily avy eny ambony fiara. Ny sasany indray nilaza fa hoe somary nandeha mafy ity fiara ity, nahita ilay ankizy niampita tsara ilay fiara saingy tsy tanan’ny hisatra intsony ny havesatr’ilay fiara ka io voadona io ity tsy manan-tsiny. Ny zava-nisy aloha dia namoy ny ainy ilay ankizy ary mbola teny am-babeny aza ny kitapony. Marihana moa fa mipetraka tsy lavitra ny manodidina eny an-toerana ihany ity zazavavy kely ity. « Mianatra eny Anjanahary ity ankizy ity ka rehefa tsy tonga ny mpampianatra dia nalefa nody izy ireo. Teny am-pandehanana hody izy no izao tratran’ny lozam-pifamoivoizana izao ». Tonga teny an-toerana naka ny razana moa ireo tompon’andraikitra misahana izany ary nanao ny asany kosa ireo mpitandro filaminana. « Notanana avy hatrany eny amin’ny Polisy etsy Tsaralalalana kosa ilay mpamily 22 taona ary hatolotra ny fitsarana rehefa vita ny fanadihadiana azy. » hoy ny vaovao azo.

Tato ho ato tokoa izay dia saika fiarabe foana indray no nahatonga loza. Tsy vitsy tokoa ireo olona no mimenomenona amin’itony karazam-piara itony, izay raha ny lalàna manankery, saingy tsy misy manaraka intsony, dia tsy tokony hivezivezy eto an-drenivohitra ny atoandro. Ankoatry ny fitohanana mety aterak’izy ireo mantsy dia loza mandehandeha ihany ny sasantsany amin’izy ireny. Matetika tokoa mantsy dia na tsy ara-dalàna velively ny lafiny ara-teknikan’ny fiara kanefa mitondra entam-be izy ireo na ireo mpamily no manao loham-boto tsotr’izao, ka tsy miraharaha velively ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Toy izay nitranga tetsy Andohatapenaka ny alatsinainy teo, fiarabe iray nentina mpamily mamo ka nandona fiarakaretsaka. Teny atsipy ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici