- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanana : Voatafika ny mpividy volamena

Tsaratanana : Voatafika ny mpividy volamena

Voaroba tamin’ny basy ary noratraina tamin’ny zava-maranitra teo amin’ny lohany. Izany no nanjo ny lehilahy iray izay mpandraharaha mpividy volamena any Tsaratanana sy ny manodidina, ny alarobia lasa teo. Tao amin’ny fokontany Miadandririnina, no nisehoan’izany ka volamena 60 grama sy ny vola mitentina 3.100.000 ariary, finday iray ary kitapo misy fitaovam-piasana sy taratasy maro no lasan’ireo mpanafika. Vao avy nividy volamena izy ny omalin’iny. Ny marainan’iny, raha nivoaka ny trano izy dia nosakanana lehilahy efatra mitam-basy sy famaky. Avy hatrany ireto farany dia nidaroka azy sady nisintona ny entana rehetra teny aminy. Naratra teo amin’ny lohany ilay olona noho ny vono nahazo azy. Voatery nanaraka fitsaboana. Manoloana izany, dia tonga nametraka fitarainana teo anivon’ny kaomisaria Tsaratanana izy. Nandeha ny fanadihadiana sy fikarohana ary nivoaka teo ny anaran’ny lehilahy iray izay ahiana ho atidoha nikotrika ny asaratsy. Tsy iza fa dia namana akaikin’ilay olona voatafika ihany io. Niaiky ny helony izy ary nanondro ny namany telo hafa indray. Nandritra ny fanadihadiana azy efa-dahy ireo dia samy niaiky ny helony avokoa izy ireo, raha araka ny fanamarihan’ny polisy. Rehefa nivoatra ny fanadihadiana, dia fantatra koa fa efa tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana maro ary koa fampihorohoroana ny mponina any ao amin’ny faritra Ambarijeby Ambalabe, eo anivon’ny distrikan’i Tsaratanàna ireto jiolahy ireto.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici