- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Fiara nitondra faty tra-doza, olona 06 naratra mafy

Manakara : Fiara nitondra faty tra-doza, olona 06 naratra mafy

Noho ny olana mekanika tapaka hisatra, dia fiara « 404 bâché » iray nitondra razana ramatoa maty no tra-doza teny an-dàlana, tao amin’ny PK8, tany Sahasinaka Distrikan’i Manakara, afak’omaly. Raha ny vaovao voaray, dia tsy voafehin’ny mpamily intsony ny familiana ny fiara nentiny rehefa nitranga io olona mekanika io, ka nandika tatatra ilay fiara, ary nifatratra tany anaty kirihitra. Vokany : olona mpandeha  enina izay fianakaviana niaraka tamin’ny faty tao anaty fiara no naratra mafy, ka ny telo tamin’ireo tra-doza no mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao. Nahitana fahasimbana goavana kosa ity fiara izay nifatratra tamoron-kady.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici