Nisesisesy tato ho ato ny lozam-pifamoivizana any amin’ny Distrikan’i Sambava. Afak’omaly, môtô roa samy nandeha mafy no nifandona tao Sambava-Centre, manoloana ny « Jardin d’Amour », ka naratra mafy torana tsy nahatsiaro tena ny mpitondra môtô iray, izay mbola miady amin’ny fahafatesana manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly amin’izao, araka ny tati-baovao voaray farany. Ny andron’ny alatsinainy io hatrany, saingy amin’ny lalana mihazo an’ Andapa kosa raha avy ao Sambava tampon-tanàna. Vokatry ny fifandonana nisy teo amina môtô sy fiara « minibus Toyota » iray izay samy nandeha mafy tao anaty fiolahana, dia maty tsy tra-drano ilay tovovavy nitondra môtô tsy nanao aroloha. Raha ny fanazavana azo, dia vokatry ny fandehanana mafy sy ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana no matetika miteraka ny loza ao an-drenivohitry ny Faritra Sava, ary maro amin’ireo fiara sy môtô ary bajaj mifamezivezy no tsy misy « assurance » akory. Noho ny tahotra amin’ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka, dia matetika mitsoaka foana ireo nahavanon-doza.
Eric Manitrisa