- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-Divers« Route Digue » : Vehivavy nody mamo, nitsoraka tao ambany...

« Route Digue » : Vehivavy nody mamo, nitsoraka tao ambany fiara 4×4

Mafy ny fiainana, ka maro ny raha hita ankehitriny. Lasa ataon’olona sasany fitadiavam-bola indray eto an-dRenivohitra ity mody mamo eny an-dalambe mitsoraka ambany fiara ity. Rehefa voadona na voakasiky ny fiara izy, dia milaza sy mitaraina mafy fa marary, ka tsy maintsy omena vola hitsaboany tena. Saingy rehefa hentina hamonjy toeram-pitsaboana izy, dia tsy mety fa vola hono no ilainy. Tovovavy iray vao erotrerony no nanao mody torana fa voadonan’ny fiara 4×4, tetsy amin’ny « route digue » Ambodihady, afak’omaly antoandro, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany. Nitangorona ny olona nijery ny zava-misy. Niteny ireo mahafantatra azy, fa « cinéma » fanaon’ity sipa ity io mody mamo voadonan’ny fiara mitsirara amin’ny tany io, ary efa maro ny mpitondra fiara lasibany. « Talohan’ity fiara tsy mataho-dalana ity, dia efa saika voadonan’ny « bus » izy io teo amin’ny « Arrêt Tetezana » raha tsy tafala kely sy nanao « coup de frein » ilay taxibe », hoy hatrany ny fanazavana azo. Tezitra sy sorena tamin’ity tovovavy misary adala ity moa ny tompon’ny fiara sy ny mpitandro filaminana nandrindra ny fifamoivoizana tsy lavitra teo. Raha ny nambaran’ilay mpitondra fiara : « Efa mailo amin’ny fihetsik’io tovovavy io aho, ka nandeha mora, satria tsy vao sambany izy no nanao toy izao, ka iny hitako hitsoraka mody hitrosona amin’ny arabe iny izy no  niala tampoka aho ». Nigogogogo nitomany moa razazavavy, ary nitaraina mafy marary. Mila mailo ny rehetra amin’izao, fa tsy kely lalana ny ratsy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

5 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici