Fiara kely iray, marika Hyundai Getz, no maty kilan’ny afo omaly tetsy Andohalo. Araka ny angom-baovao dia afo niitatra tamin’ny fahamaizan’ireo hazo maina tamin’ny rindrin’ny tambohon’ny sekoly iray teny an-toerana no nahatonga ny afo. Hatairana tokoa ny an’ireo mponina sy mpandalo teny amin’iny faritra iny, raha nahita ity afo nijoalajoala avy tamin’io tamboho io. Noho ny toetr’andro maina sy somary nandrivotra dia vetivety dia niitatra tsy nisy toy izany ny afo. Na dia teo aza ny ezaka nataon’ireo mponina nifehy izany dia tsy tana fa nahazo ny ampahany tamin’ireo fiara sendra niantsona teo amin’io sisin-tamboho izany, ka nahamay tanteraka ilay fiara kely. Fotoana fohy taorian’ny antso vonjy tamin’ireo mponina moa no tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina niezaka namono ny afo. Minitra vitsy taorian’ny fahatongavan’izy ireo no maty tanteraka izany saingy efa tsy nisy azo noraisina intsony ilay fiara may. Manao antso avo hatrany hatrany moa ireo tompon’andraikitra ny amin’ny tokony hitandremana amin’ny resaka afo amin’izao toetr’andro izao.
nangonin’i m.L