- Publicité -
samedi, septembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversMahanoro : Lehilahy voatondro ho mpamosavy nahafaty ny namany, maty novonoin’ny fokonolona

Mahanoro : Lehilahy voatondro ho mpamosavy nahafaty ny namany, maty novonoin’ny fokonolona

Nitrangan’ny fitsaram-bahoaka indray tany amin’ny distrikan’i Mahanoro, afak’omaly. Lehilahy iray voalaza fa mpamosavy nikoizana efa hatry ny ela, izay namono ny namany niara-nisotro toaka taminy, no maty novonoin’ny fokonolona, tao amin’ny fokontany Ambodiharina. Raha ny vaovao voaray, dia fanapoizinana tamin’ny alalan’ny fanafody gasy mahery vaika no namonon-dR. an’ity namany niara-nirevy taminy. Raha vao fantatry ny havany fa maty ity raim-pianakaviana, dia nosamborina avy hatrany ilay voatondro molotra fa namono azy. Naseho ny mpiara-monina, ary niharan’ny hatezeram-bahoaka avy eo, ka namoy ny ainy ihany koa ity lehilahy voalaza ho mpamosavy, ary saika nodoran’olona ny fatiny, saingy niangavy mafy ny fianakaviany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici