Vokatry ny lalana ratsy dia maro amin’ireo fiara mpitatitra entana no lasa lasibatry ny tontakely amin’ny fandrobana eto Antsirabe. Lalana mihazo an’Ambositra no itrangan’ity fandrobana ity ary amin’ny antoandro be nanahary.
Misy andian-jatovo maromaro manao fandrobana amin’ireo fiara tsy afaka fa voatery mandeha mora vokatry ny lalana ratsy amin’ny “route d’Ambositra” iny. Vary roa gony sy menaka amin’ny bidon miisa telo no efa tafavoakan’ireo tontakely teny an-dalana ny talata lasa teo . Misy ny manipy ny entana eny ambony kamiao , misy kosa ireo maka izany eny an-dalana. Tsikaritr’ilay nitondra ny fiara ny fihetsik’ireo tontakely. Vao nijanona ny fiara dia rifatra nitsoaka ireo mpangalatra ary navelany teo ny entana. Raikitra ny fifanenjehana ary tonga hatrany Ambohimahazo mihitsy izany, tsy namelan’ny fokonolona raha tsy azo ny iray tamin’ireo mpangalatra. Nitsambikina tao amin’ny fefin’olona ny tovolahy kely iray mpangalatra ka noraisim-potsiny tao.
Niharan’ny daroka sy vono avy hatrany ity farany, soa aloha fa tsy notaperin’ny fokonolona ny ainy fa naterina tao amin’ny polisy rehefa naratra mafy. Tafaporitsaka kosa ireo namany hafa.
Andry N.