- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Rongony 180 kilao indray saron’ny zandary

Betroka : Rongony 180 kilao indray saron’ny zandary

Miroso hatrany ny ady ataon’ireo zandary any amin’iny distrikan’i Betroka iny amin’ny amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Araka ny angom-baovao azo mantsy dia rongony maina nahatratra teo amin’ny 12 gony teo indray no saron’ny zandary tany an-toerana tao Andria, fokontany Ampety, kaominina Kelivaho. Milanja eo amin’ny 180 kilao eo ny tontalin’ireto zava-mahadomelina tra-tehaka ireto. Raha ny fampitam-baovao azo dia loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny nahafahan’ireo mpitandro filaminana nahafantatra ny fisiana olona milanja entana mampiahiahy. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary avy ao amin’ny poste avancé ao Kelivaho ka sarona tamin’izany ireto zava-mahadomelina ireto, nentina mpilanja telolahy. Nisy namany hafa moa niaraka tamin’izy ireo saingy tafaporitsaka rehefa tonga ireo zandary. Mbola atao hazalambo sy hifampikarohana any an-toerana izy ireo raha ny fantatra hatrany. « Tombony ho an’ny zandary ao Betroka moa ny fiverenan’ny fitokisam-bahoaka azy ireo, izay manamora raha teo ny fanatanterahana ny asany, ankoatr’izay dia fanamby isany hanaovana ezaka lehibe ihany koa ny fanenjehana ireo mpikirakira ity zava-mahadomelina , izay mitondra sy mitarika ny olona hanohy ny asa ratsiny » hoy hatrany ny fanazavàna azo. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ireto telolahy tratra nitondra rongony ireto raha ho dora ampahibe-maso sy eo anatrehan’ny manampahefana kosa ireo zava-mahadomelina araka ny lalàna manan-kery.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici