Telolahy izy ireo no voasambotry ny zandary, teny amin’iny faritra Talatamaty, distrika Ambohidratrimo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fanazavana azo, dia teo am-piomanana hanafika tokantrano iray teny an-toerana mihitsy ireto andian-jiolahy ireto no tra-tehaka tao anaty vela-pandriky ny zandary. Mbola sarona tany amin-dry zalahy ireto rahateo moa ny fitaovam-piadiana sy ny ody gasy maromaro fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny.
« Voasoroka ny asa-ratsy nokasain’izy ireo hatao », hoy ny filazan’ny zandary. Voalaza tokoa mantsy fa hoe nahazo antso ny avy eo anivon’ny zandamariam-pirenena fa misy olona mikasa hanafika tokantrano iray teny amin’iny faritra Talatamaty iny. Tsy nisalasala mihitsy ireto mpitandro filaminana nidina ifotony nanamarina ny angom-baovao azon’izy ireo. « Tra-tehaka tamin’izany ireo jiolahy miisa teĺo sy sabatra lava lela miisa roa ary odigasy fonoka fampiasan’izy ireo ». Tsy vitan’izay ihany moa fa mbola tratra tany amin’ireto andian-jiolahy ireto ny entana halatra sasantsasany, toy ny fahilavitra (télé écran plat 42″), niaraka tamin’ny guitare electrique. Entana halatra efa nahazoana fitarainana teo anivon’ny tobim-paritry ny zandary ao Talatamaty hatrany. « Marihina fa efa fanaon’ireto jiolahy tratra ireto ny asa ratsy amin’iny faritra iny ary ny roa lahy tamin’izy ireo dia efa avy nigadra. Ny lehiben’izy ireo moa dia mbola karohina fatratra ». Ny zandarimariam-pirenena dia manentana hatrany ny rehetra amin’ny fiaraha-miasa ahafahana misoroka mialoha ny asa ratsy ataon’ireo olon-dratsy toa izao.
m.L