- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversManankambahiny : Tovolahy hita faty tanaty hantsana

Manankambahiny : Tovolahy hita faty tanaty hantsana

Tovolahy iray manodidina ny 18 taona teo ho eo no hitan’ny olona, efa tsy nisy aina intsony tetsy Manankambahiny, omaly maraina. Somary haram-bato miendrika hantsana, lalina tokony ho efapolo metatra teo ho eo, no nahitàna azy io. Raha ny vaovao azo dia hoe nianjera avy eny ambony izy ary izay no nitarika ny fahafatesany. Mponina eny amin’iny manodidina eny ihany ity tovolahy ity ary fantatr’ireo mpiray monina aminy. Hatreto dia tsy fantatra mazava aloha izay tena anton’ny fianjerana. Nisy nanosika sa famonoan-tena ? Raha ny angom-baovao azo sy ny resaka mandeha dia voalazan’ny olona fa ity antony farany ity no mety ho zava-nitranga. Voalaza mantsy fa toa hoe nisy fifamaliana teo aminy sy ny fianakaviany ny talata hariva ary nivoaka ny trano izy. Tsy nody intsony ary io hita faty teny ambany hantsana io. Ankoatr’izay dia mandeha ihany koa ny feo fa hoe tsy afaka fanadinana ny lehilahy ary namoy fo. Saingy vinavinan’ny olona avokoa izany hatreto fa ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana, tonga teny an-toerana, no hahafantarana izay tena marina mahakasika ity raharaha ity. Nentin’ireo tompon’andraikitra  ho eny amin’ny tranom-paty moa ny vatana mangatsiakany omaly ihany.

nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici