- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Magazay voatafika, maty voatifitra ny jiolahy, efatra azo sambo-belona

Antsohihy : Magazay voatafika, maty voatifitra ny jiolahy, efatra azo sambo-belona

Magazay lehibe iray izay mikirakira lavanila ao amin’ny Fokontany Ambalabe Andrefana II, an-tampon-tanànan’ Antsohihy, no notafihana jiolahy, ny alin’ny alahady teo. Raha vao nahazo antso vonjy tamin’ny mpiambina an’ity mangazay voatafika ity ny mpitandro filaminana, dia tonga nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary, ka raikitra ny fifadonana tamin’ireo olon-dratsy. Vokany : jiolahy iray maty voatifitra, efatra hafa azo sambo-belona. Raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana any an-toerana, mandray an-tanana ny fanadihadiana ny raharaha, dia tsy avy ao Antsohihy ireo jiolahy, fa avy any amin’ny toeran-kafa no tonga manatanteraka asa ratsiny ao an-drenivohitry ny Faritra Sofia. « Noho ny fanomezam-baovao mari-pototra avy tamina olona tsara sitrapo, dia efa herinandro talohan’izao fanafihana izao ireo olon-dratsy no narahi-maso, ary efa niomana izahay. »

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici