Vokatry ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy fandehanana mafy, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray, tao Sambava-Centre, afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny dimy ora. Raha ny vaovao voaray, « moto Honda » iray nandeha nirimorimo mafy, izay nentin’ny tovolahy no nandona lahiantitra niampita arabe. Noho ny hamafin’ny dona sy fianjerana, maty teo no ho eo ity mpitondra moto, naratra mafy kosa ilay lahiantitra 80 taona, ka nentina haingana novonjena teny amin’ny hopitaly CHRR Besopaka, nefa rehefa tonga teny dia tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra. Raha araka ny fanazavana azo hatrany, dia avy any Nosivolo Kaominina ambanivohitra Nosiarina (19 km miala an’i Sambava tampon-tanàna) ity rangahy namoy ny ainy, ary avy nividy kojakojana fiarakodia tamina tranombarotra lehibe iray tsy lavitra ny toerana nisehoan’ny loza ity lahiantitra, izao tra-doza izao.
Eric Manitrisa