- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbaniala Itaosy : Jiolahy 6 nitondra kalach 2, nanafika tsena 2 lasa...

Ambaniala Itaosy : Jiolahy 6 nitondra kalach 2, nanafika tsena 2 lasa ny vola

Ny harivarivan’ny alatsinainy lasa teo, tany amin’ny 6 ora tany ho any no nisy jiolahy 6 mirongo basy kalach roa, tsy misaron-tava no nanafika tsenakely roa maifanakaiky. Tifi-danitra no nidirany tao an-tsena ary tifi-danitra ihany koa no nivoahany tao. Vola moa no notadiavin’izy ireo tamin’izany ka raha vao azony izay notadiaviny dia iny izy no lasa nitsoaka. Teny an-dalana dia mbola nanapoaka basy indroa ihany koa izy ireo mba hampihorohoroana ireo manodidina.

Tsy mbola fantatra marina moa ny tetibidiny vola lasa fa ny andro rahateo efa maizina. Tsy mbola nisy nanisa ny vola azo nandritra ny andro izy ireo. Ny jiolahy rahateo tonga dia nanambatra izay vola rehetra azo nandritra ny tontolo andro. Mbola be olona nifamezivezy ihany tamin’io ora io fa tsy nisy sahy nihetsika ny olona tamin’ny fahenoana ny feom-basy nirefodrefotra. Tonga tany an-toerana ny polisy avy eo fa saingy efa tafaporitsaka ireto olon-dratsy. Efa eo ampanaovana ny fanadihadiana moa ny polisy eny an-toerana amin’izao fotoana izao. Avy amin’izany no mety ahafantarana ireo mpanafika. Mety tsy hananosarotra ihany koa ny fahafantarana azy ireo noho izy ireo tsy nisaron-tava nandritry ny fanafihana.

Alem

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser