Mitohy hatrany ny ady amin’ny asan-dahalo any amin’ny Distrikan’i Tsaratanàna, Faritra Betsiboka. Raha ny vaovao voaray, dahalo nitam-piadiana maherin’ny 50 lahy no nanafika tao amin’ny Fokontany Antaniditra, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ampandrana, ny alin’ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany. Rehefa avy nandroba omby 93 tian’izy ireo tamina vala maromaro ireo dahalo, dia nodoran’ireto tsy mataho-tody ny tanàna. Taorian’izay, nahazo antso fampandrenesana mahakasika an’ity halatr’omby narahina fomba ratsy mamohetra feno habibiana ity ny mpitandro filaminana, ka raikitra ny fanarahan-dia. Raha vao nahatazana an’ireo mpampandry tany ny dahalo, dia nitifitra avy hatrany, ka raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, tao Amparihimbotsy Fokontany Tanifotsy. Vokany : dahalo roa maty voatifitra, omby 70 latsaka (tafaverina). Mbola karohina fatratra atao hazalambo hatramin’izao ireo dahalo tafaporitsaka niaraka tamin’ireo omby halatra ambiny.
Eric Manitrisa