Rehefa nokarohina nandritra ny dimy andro, dia tra-tehaky ny zandary ao Belo Tsiribihina, afak’omaly, tao anaty taksiborosy nandehanany saika hitsoaka ho any Morondava ny lehilahy iray 44 taona izay nanolana zazavavikely vao fito taona monja tao an-tranony, ny marainan’ny 13 novambra lasa teo, tokony ho tamin’ny folo ora. Simba tanteraka ilay zaza voaolana, hoy ny reniny. Raha ny vaovao voaray, nantsoin-drangahy ary notabazany « clarinette » ity tsy manan-tsiny, ka rehefa tonga teo am-baravarany, dia nosintominy niditra ny trano ilay zaza, ary notampenany ny vavany mba tsy nahafahany niantso vonjy. Taorian’izay, nobatain-drangahy teo ambony latabatra ity zaza sady nosorany menaka ny fivaviany, ary nanao firaisana ara-nofo mamohehitra nandritra ny adiny iray teo tamin’ity voatavo tsy mifandraka rangahy. Tokony ho tamin’ny 11 ora, voakaitr’ilay zaza ny tanan’ity mpanolana, ka afaka niantso vonjy ilay voaolana avy eo, ary io no nanaitra ny mpiara-monina manodidina. Nitsoaka avy hatrany ilay nahavanon-doza, ka izao tra-tehaka tao anaty fiara teny amin’ny « stationnement » Belo Tsiribihina izao ihany rehefa nokarohina natao hazalambo nandritra ny andro maromaro. Androany moa raha tsy misy fiovana amin’ny ora farany no hatolotra ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Morondava ity mpanolana tra-tehaka.
Eric Manitrisa