Loza tsy nampoizin’ny maro no niseho tao an-tampon-tanànan’i Sambava, ny tolakandron’ny 17 novambra teo, tokony ho tamin’ny efatra ora, ka tovolahy iray manodidina ny 20 taona eo, no maty tsy tra-drano main’ny herinaratra, tao amin’ny Fokontany Ambodisatrana II. Raha ny vaovao voaray, naka hazo tany an-tsaha niaraka tamin’ny namany ity tovolahy namoy ny ainy. Teny an-dalana hody anefa, nikasoka tamin’ny taribin’ny Jirama mitondra herinaratra mahery vaika, izay somary mikirazorazo ity tovolahy, ka maty teo no eo. Rehefa nitranga ny loza, dia nampandre haingana ny olona tany an-tanàna sy ny manampahefana any an-toerana momba ity loza ity ireo namany niara-dia taminy. Taorian’izay, tonga nijery ifotony ny zava-misy ny avy ao amin’ny Jirama sy ny Zandary ary ny mpitsabo.
Eric Manitrisa