Taorian’ny fitoriana nataon’olona azy teo anivon’ny fitsarana manokana misahana ny kolikoly sy ny fanodikodinana volam-panjakana ao Antananarivo, PAC eny 67ha, dia nahazo fampiantsoana ny filohan’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria teto Toamasina hiatrika ny fakana am-bavany azy. Vao vita anefa izany dia fampidirana am-ponja vonjy tao Antanimora avy hatrany no azony raha namoaka ny didy savaranonando ny fitsarana PAC. Raha ny fanazavana azo dia manodidina ny 150 tapitrisa ariary teo no vola voalaza fa nahodinkodin’ity filohan’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria Toamasina ity, izay niarahana porofo avokoa izany araka ny fanazavana azo hatrany. Saika tamin’ny tolo-baro-panjakana nataon’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria Toamasina avokoa no nitrangan’izany fanodinkodinam-bolam-panjakana nataon’ity filoha ity izao, araka ny angom-baovao natao hatrany, hafa tsy ireo volan’olona teo anivon’ny antenimieran’ny varotra sy indostria tsy azo nefa efa nivoaka teo anivon’ny tahirim-bolam-panjakana Toamasina. Rah any angom-baovao natao dia mbola hisy olona hafa mpiara-miasa aminy eo anivon’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria Toamasina koa halaina am-bavany momba ity raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana hanenjehan’ny fitsarana PAC ity filoha ity.
Malala Didier