- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversIavoloha : Mpamily kamiao novonoina, natsentsina tao anaty tatatra avy eo

Iavoloha : Mpamily kamiao novonoina, natsentsina tao anaty tatatra avy eo

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona no hita faty tao anaty tatatra tetsy Iavoloha, tsy lavitra ny sampanana mihazo ny Lapa omaly maraina. Olona sendra nandalo ny maraina no nahita ity tranga mampihoron-koditra ity ary niantso avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny. Nidina teny an-toerana ireto farany, niaraka tamin’ny mpitsabo, ka fantatra  tamin’ny fizahana am-boloahany fa maty novonoina ity farany. Nahitàna ratra, miendrika tsindrona zava-maranitra mantsy teo amin’ny faritry ny tratrany, ary io, hoy ny filazàna, no antony mety nitarika ny fahafatesany. Noheverina araka izany fa mety ho lehilahy lasibatry ny mpanendaka izy io ary tsy namelan’ireo olon-dratsy raha tsy maty, araka ny fanazavàna azo avy amin’ny zandary misahana iny faritra iny. Vinavina am-boloahany izay toa tsy nitombina ihany anefa satria mbola nahitàna vola tany aminy. Angom-baovao hafa taty aoriana anefa no nahafantarana fa mpamily fiarabe izy io. Saingy, tsy fantatra hoe nakaiza na nakaiza ilay fiarabe nentiny. Izany hoe mety ho halatra fiara nivadika ho vono olona ity raharaha ity. Ny zandary avy ao amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava moa no nandray an-tanana avy hatrany ny tohin’ny fanadihadiana, raha nanao jery ifotony fotsiny ireo zandary ao avy amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, misahana ny faritra. Ny razana kosa dia efa nentina any amin’ny tranom-paty, atao « autopsie » ahafantarana marina izany antony nahafaty azy. Efa mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza sy ilay fiarabe.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici