- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona tao Fenerivo atsinanana : Olona valo mirahalahy nahiditry ny fitsarana...

Vono olona tao Fenerivo atsinanana : Olona valo mirahalahy nahiditry ny fitsarana fonja vonjimaika

Isan’ny nampihoron-koditra ny vahoaka tao Fanarivo atsinanana ilay vono olona nahatsiravina nitranga tany an-toerana. Iray volana nikarohana ireto mpirahalahy maty mantsy ny fianakaviana vao nisy nahita teo an-tokotan’ny fasan-dry mompera ao Fenerivo atsinanana amin’ny lalana mihazo an’i Morondrano ireto faty roa, izay efa taolana sisa no hita tao anatin’ny iray volana. Olona valo no voatery nahiditry ny fitsarana ao Fenerivo atsinanana am-ponja vonjimaika ny talata alina teo raha efa ny analatsinainy no tonga tamin’ny fampanoavana ny antontan-taratasin’adin’ireo voarohirohy, ka nandeha be tamin’izany ity resa-bola 100 tapitrisa ariary ity nandritra izao fiakarana fampanoavana izao. Nitory ny zava-nisy ny fianakavian’izy mirahalahy ireto nandritra izany, ka nanao ny fikarohany sy ny fanadihadiany ny zandary nandray an-tanana ny raharaha. Olona valo izay mpihavana sy mbola mpirahalahy (cousin) amin’ireto olona mpirahalahy nisy namono ireto ihany no vosambotra tamin’izany. Raha tena nandeha ny fanadihadian’ny zandary dia hay resaka fasana no anton’ny olana teo amin’ireo mpirahalahy nifamono ireto. Nisy fotoana mantsy nanatitra lamba teny am-pasana noho ny antony fangatahan-tso-drano tamin’ny reniben’izy ireo izy mirahalahy maty ireto, izay tsy hain’ireto havany izany. Nandritra ny fandevenana ny rahalahan’izy ireo maty tamin’io fotoana io dia tezitra tamin’ny fahitana ilay lamba ny rahalahin’izy ireo, ka nanomboka teo ny olana sy ny gidragidram-pianakaviana, satria hoe tsy nangataka alalana tamin’izy ireo izy mirahalahy nisy namono ireto.

Ankilan’izany nandritra ny fanadihadiana sy ny fakana am-bavany ireto olona valo mirahalahy (cousins) ireto, dia nisy ny fisavana ny tranon’izy ireo nataon’ny zandary ka tamin’izany no nahatrarana basy PA vita gasy telo tao amin’ny trano iray tamin’izy valo lahy ireo. Ankoatra izay dia mbola misy iray mbola karohina izay voalaza fa isan’ny nanao izao vono olona mahatsiravina tao Fenerivo atsinanana izao, saingy araka ny angom-baovao voaray dia mbola karohirana any Anosibe an’ala faritra Mangoro ilay olona ity amin’izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici