- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversRocade : Niakatra « tension » ny mpamily dia nivadika an-tanimbary

Rocade : Niakatra « tension » ny mpamily dia nivadika an-tanimbary

Mbola nitsikian’ny vintana ilay mpamily fiara raha nojerena tamin’ny fahavoazan’ny fiara izay nivadika ambony ambany tao anaty tanimbary. Omaly tolakandro no nisehoan’izany tetsy amin’ny lalam-baovao Rocade izay mizotra ho any Andohatapenaka. Raha ny fanazavan’izay nahita ny lozam-pifamoivoizana izy nitranga dia nisy olana ara-pahasalamana ilay ramatoa izay nitondra ny fiara. Niakatra ny tosi-drany ary tsy voafehiny intsony ny familiana vokatr’izany. Nitarika ny fialàn’ny fiara kely tamin’ny lalany izany ary nivadika tany an-tanimbary. Mba tsy nisy ny aina nafoy. Vetivety dia tonga ihany koa ny olona ary nanampy tamin’ny famoahana ilay ramatoa tao anatin’ny fiara. Ratra madinika no nisy noho ny fidonan’ny fiara tamin’ny tany. Afa-doza tanteraka ilay ramatoa satria raha elaela tao anaty fiara dia mety ho sempotry ny rano tao noho ny fiara izay nivadika ambony ambany. Tsy nilaozan’izay tsy nisy lozam-pifamoivoizana ny Rocade, toa ny lalam-baovao rehetra ihany, toa ny by-pass tamin’ny vao nisokatra, eny fa hatramin’izao aza. Ny antony matetika dia ny tsy fitandremana noho ny làlana tsara ary lasa misy mpisetrasetra. Momba ny Rocade indray, vao nisokatra andro vitsivitsy tamin’izany fotoana dia efa nisy lozam-pifamoivoizana nahafaty olona, indrindra teo amin’ny sampanana izay mihazo ny digue. Nasiana dongona taorian’izay ary koa nasiana famantarana manokana, ireo fepetra ireo no isan’ny  nampihena ny loza. Momba ilay lozam-pifamoivoizana izay nitranga teny an-toerana omaly indray dia tsy hita firy izay lazaina satria ara-pahasalamana no nitarika azy. Mety mahazo ny tsirairay ny fihetsehan’ny aretina tampoka. Ny tsara kokoa angamba dia ny fijanonana avy hatrany na tsy mitondra mihitsy raha vao misy zavatra mampiahiahy.

D.R

 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici