Raim-pianakaviana fotsy volo iray 70 taona, antsoina hoe : Rakotozandriny, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe : « Veterinera Robin », no nalaina efa-dahy nitam-piadiana an-keriny tao an-tranony, ny harivan’ny 18 novambra teo, tokony ho tamin’ny fito ora sy fahefany, tao amin’ny Fokontany Analakely, Kaominina Morarano Chrome, any amin’ny Distrikan’ Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro. Nitaky volabe tamin’ny fianakavian’ny Dokotera Robin ireo jiolahy ho takalon’ny ain’ity mpitsabo biby ity. « Atero haingana ny vola, fa vonoinay ny havanareo, fa tsy handany andro aminareo izahay », hoy ireo mpaka an-keriny niantso ny fianakaviana. Rehefa notazonin’ireo mpaka an-keriny azy, ary nampihorohoroina ho faty nandritra ny telo andro ity lahy antitra ity, dia navosotr’ireo jiolahy ihany rehefa nandoa vola 60 tapitrisa ariary (marimaritra niraisana farany) ho tambin’ny famotsorana azy ny havany.
Mpikaraman’ady. Raha ny vaovao voaray, naloa tsy lavitra ny Fokontany Ampandriatsara, any amin’ny Kaominina Ampasikily ny vola. « Rehefa tonga ny vola, roa lahy no naka izany, ary ny roa lahy ambiny kosa namotsotra ahy tao amin’ilay toby nitazonana ahy », hoy Rakotozandriny. Raha ny nambaran’ireo mpaka an-keriny, « nokaramain’olona 10 tapitrisa ariary izy ireo hanao « kidnapping » ahy, satria izaho hono olona manam-bolabe any amin’ny banky, manana toeram-pivarotam-panafody, ary fiara, . . . , ka tsy maintsy mahazo vola amiko izy ireo », hoy hatrany Dr Robin nanohy ny fanazavany. Ankoatr’izany, ny zoma teo, dia voasambotry ny zandary avy ao amin’ny « Poste avancé » Morarano Chrome ireo mirahalahy isany voarohirohy tamin’ny vono olona nahatsiravina nitranga tao Morarano Chrome, ny 28 aogositra lasa teo. Afak’omaly ireto jiolahy no natolotra ny Fampanoavana, ary mitohy hatrany kosa ny fikarohana an’ireo mpaka an-keriny.
Eric Manitrisa