« Miverina indray ny tamin’ny enin-taona lasa » hoy ny ahiahian’ireo mponina. Raha efa nilamindamina mihitsy ity resaka fanakanan-dàlana ity tamin’iny lalam-pirenena faha-44, mampitohy an’i Moramanga sy Lac Alaotra iny, dia manahy ireo mponina ny amin’ny fiverenany indray. Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo mantsy, dia taxi-brousse efatra be izao no nataon’ny andian-jiolahy lasibatra teo amin’ny lalam-by teo Ambohidray. Samy niala avy any Ambatondrazaka ireto taxi-brousse ireto ary tao anatin’ny tandavana fiara soa aman-tsara, saingy mbola sahin’ireo mpanakan-dalana ihany ny nanafika azy ireo. Marihana, fa ny roa tamin’ireo fiara ireo dia handeha hiakatra aty an-dRenivohitra ary ny roa kosa hihazo ny renivohitr’i Betsimisaraka.
« Passage à niveaux » na hoe làlana tapahana lalam-by io toerana, hany ka tsy maintsy mandeha mora foana ireo fiara rehefa tonga teo amin’ilay toerana. Tamin’izay no nohararaotin’ireo dahalo, izay nahatratra am-polony maro tany ho any, nanao ny asa ratsiny tamin’ireto fiara ireto. Tao ireo nitora-bato ary tao ireo nitifitra. Raha ny angom-baovao azo, dia niravaka fitaovam-piadiana isan-karazany ireto olon-dratsy ireto tamin’izany : zava-maranitra isan-karazany ka hatrany amin’ny basy mahery vaika. Mazava ho azy, izany fitaovam-piadiana izany no nentin’izy ireo nampitahorana ny mpamily hampijanona ny fiara, ary nataon’izy ireo fandrahonana ho an’ireo mpandeha. Teo anatrehan’ny zava-nisy, dia tsy nisy sahy namaly ireto andian’olon-dratsy ireo mpandeha fa dia nanaiky hatramin’ny farany izay zavatra notakian’izy ireo. Tsy nisy tsy voaroba araka izany ireo mpandeha rehetra tao anatin’ireo fiara efatra : vola, entana, firavaka ary zavatra sarobidy, lasa avokoa. Marihana moa, raha ny angom-baovao azo hatrany fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy tao anatin’izany fanafihana izany. Rehefa azon’ireo olon-dratsy mantsy ny zavatra notakian’izy ireo dia lasa nitsoaka toy ny tsy teo ireto farany. Ireo lasibatra kosa, nanohy ny diany ary tao Moramanga vao afaka niantso vonjy sy nampilaza ny fianakaviana. Efa eny am-pelan-tanan’ireo mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao ary efa mandeha ny fanadihadiana.
m.L