- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : Dahalo roa mitam-basy, azo sambo-belona

Ambatofinandrahana : Dahalo roa mitam-basy, azo sambo-belona

Rehefa nahazo fanairana ny Kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria ao Ambatofinandrahana, fa misy andian-dahalo mitam-piadiana mikasa hanafika tokantrano iray ao amin’ny Fokontany Atsimontsena, an-tampon-tanànan’ Ambatofinandrahana, dia nidina ifotony avy hatrany hanao vonjy taitra niaraka tamin’ireo olom-peheziny ity Lehiben’ny zandary. Vao nahita ny mpitandro filaminana ireo jiolahy, dia nanao tifitra variraraka sady nanaotari-dositra nitsoaka, ka tsy tanteraka ny asa ratsin’izy ireo. Raikitra ny fanenjehana sy hazalambo taorian’izay, ka rehefa nampiasa tetika mahomby ny zandary, omaly maraina tokony ho tamin’ny iray ora, dia voasambotra tao an-tranony tao Ampisorohana Fokontany Andrahalana i Takotomanolo (papan’i Lijery) sy i Likoto, ary tra-tehaka niaraka tamin’ireto dahalo roa raindahiny azo sambo-belona ireto ihany koa ny basim-borona iray sy basy vita gasy iray nampiasain’ireo olon-dratsy niaraka tamin’ny bala « calibre 12 » sy « calibre 16 » ary lefona maro. Raha ny vaovao voaray hatrany, dia mbola mitohy hatramin’izao ny fikarohana an’ireo dahalo tsy mbola voasambotra miaraka amin’ny basy mahery vaika.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici