- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao Tsienimparihy : Faty voarasarasa : tsy nisy lela, fo, aty ary atidoha

Ambalavao Tsienimparihy : Faty voarasarasa : tsy nisy lela, fo, aty ary atidoha

Tranga nampihoron-koditra ny maro no niseho tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Iaritsena Andranoboboaka, distrikan’Ambalavao Tsienimparihy, faritra Matsiatra Ambony, omaly. Raim-pianakavina iray novonoina tamin’ny fomba feno habibiana no hita faty vao naraina, tany amin’ny 6 km andrefan’ny tampon-tanànan’Ambalavao. Raha ny voalazan’ny fianakaviany, niambina ny variny teny an-tsaha ity raim-pianakaviana ity no nisy namono, ny alin’ny alahady hifoha omaly alatsinainy, tokony ho tamin’ny iray ora naraina tany ho any. Raha ny nambaran’ny vadin’ny maty kosa, tamin’ny valo ora alina rangahy no nivoaka ny tranony handeha hisafo vary eny an-tanimbary. Nigadona anefa ny tamin’ny 11 ora alina, tsy niverina toy ny fanaony mahazatra isan’andro ity raim-pianakaviana ity, ka gaga sy taitra ny vadiny.

Halatra taova ! Taorian’izay, nanaitra ny havan-drangahy avy hatrany ramatoa. Nojerena tany an-tsaha ity lehilahy namoy ny ainy, nefa tsy hita tany, ary naharitra ora roa teo ny fikarohana azy. Nony naraina ny andro, ankona ny rehetra fa vatana nivalampatra nihosin-drà efa voarasarasa no hita, ary tsy hita teo amin’ity fatin-dehilahy ity intsony ny taovany maromaro toy ny lelany, ny fony, ny atiny, ary ny atidohany. Niala nipitika lavitra ny razana ihany koa ny valanoranony amboniny misy ny nifiny iray manontolo. Ary mbola hita tsy lavitra ny vata-mangatsiakany ireo zava-maranitra namonoana azy. Manoloana an’izao trangana habibiana tsy roa aman-tany izao, dia manahy amin’ny mety ho halatra taova ny havan’ny maty. Efa misokatra moa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana any an-toerana, ka ho hita eo ny zava-miafina marina mahakasika an’ity raharaha ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici