Taorian’ny fanafihan-dahalo nahery vaika nitranga tao an-tanànan’i Sonjorano, fokontany Bemelo, kaominina ambanivohitra Tanambao Tsirandrany, distrikan’i Bekily, ny alin’ny asabotsy teo, izay nahaverezana omby miisa folo, dia nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny tompon’omby. Raha vao naheno an’ ity halatra omby ity ny solombavambahoaka voafidy tao Bekily, dia nandeha nanara-dia niaraka tamin’ ireo Kalony (Andrimasom-pokonolona). Afak’omaly, tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro, nifanena teo amin’ny tendrombohitra iray avaratr’i Mieba, any amin’ny kaominina ambanivohitra Beraketa ny mpanara-dia sy ireo dahalo, ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Tsy nahatanty ny feom-basy nirefodrefotra ny dahalo efatra ka nilavo lefona. Tratra teny amin’ireto malaso azo sambo-belona ireto ihany koa ny basim-borona « calibre 12 » iray sy basy vita gasy iray, ary ody gasy maro miisa 16. Rehefa voasambotra ireto dahalo, dia nangataka ny hitifirana azy ireo avy hatrany atao « au poteau » ny mponina izay matahotra ny valifaty hataon’ireto malaso ireto. « Raha sanatria ka votsotra eo indray ireo malaso ireo, dia tsy maintsy hamaly faty anay », hoy ny fokonolona. Nanda mafy izany fihetsika mamoehatra izany Ingahy Depiote, ary nanamafy teo anatrehan’ny vahoaka fa hanara-maso akaiky ny raharaha, hatreny amin’ny Fitsarana mba tsy hahavotsotra an’ ireto dahalo. Efa natolotra ny zandary ao Beraketa atao fanadihadiana lalina ireo olon-dratsy niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana tratra teny amin’izy ireo. Tafaverina soa aman-tsara any amin’ny tompony kosa ireo omby norobain’ny dahalo.
Eric Manitrisa