Efa naboridana ilay vehivavy ary nofatorana. Saika hiroso tamin’ny fampijaliana azy mihitsy ireto olon-dratsy no tonga tampoka sy ara-potoana ny zandary. Noraisim-potsiny araka izany ny roa lahy. Tranga niseho tao Berary, Ambovombe Androy, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo, tokony ho tamin’ny iray ora maraina. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary tany an-toerana dia nisy ny fanairana avy amin’ny olona tsara sitrapo fa misy fanafihana tokantrano iray tao amin’io fokontany io. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto farany tamin’ny alalan’ireo ekipa mpanao vonjy taitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Nohodidininina avy hatrany ny trano ary napetraka avokoa ny paik’ady rehetra, hidirana ao aminy. « Tratra tao tsy afa-nandositra ny zatovolahy roa samy mitazona antsy avy, nikasa ny hamono sy hanolana ity tovovavy iray 20 taona ». Ity farany moa araka ny vaovao voaray hatrany dia « mbola tratra nofatoran’izy ireo tao an-tranony sady naboridan’izy ireo tanteraka ». Nosamborina avy hatrany ireto olon-dratsy ireto ary nentina natao famotorana sy notazomina ao amin’ny sampana mpanao fikarohana teo anivon’ny vondron-tobim-pileovanan’ny zandary ao Androy. « Ny zandarimaria dia mankasitraka tanteraka ny mpanome vaovao marim-pototra sy ara-potoana mba hoentina mamongotra ny mpanao ratsy ». Hatolotra ny fitsaràna tsy ho ela moa ireo mpanolana ireto, rehefa vita ny fakàna am-bavany azy.
m.L