- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversCashpoint : Nisy naka an-keriny ilay tompon’andraikitra

Cashpoint : Nisy naka an-keriny ilay tompon’andraikitra

Omaly dia niparitaka ny sarin’ilay lehilahy tsy hita nanjavonana raha nandeha namonjy ny toeram-piasany etsy Andohananalakely no nialany tao an-trano vao maraina. Mpitazona cashpoint eo an-toerana no asany amin’ny andavanandro. Omaly alakamisy dia maty avokoa ny findainy rehetra ary tsy tratran’ny fianakaviana antso intsony. Toraka izany koa, tsy hita teny amin’ny toeram-piasany rehefa nidinan’ireo teny an-toerana. Nanomboka teo ny fitaintainana ka nahatonga ny fianakaviany nanao ombay mitady. Ny ampitson’iny dia nilaza ny fianakaviany fa hita ihany izy ary nitantara fohy ny zava-nitranga. « Nentin’ireo olon-dratsy tany Mahajanga ary nalain’izy ireo avokoa ny finday fampiasany sy ny maro hafa.

Marihina etoana fa voaambana basy sy voatampim-bava izy teo andohan’Analakely ary dia nampidirin’ireo olon-dratsy tao anaty fiara iray » raha araka ny fitantaran’ireo fianakaviana. Ny amin’ny antony nangalàna an-keriny ity olona ity kosa dia mbola notazomin’izy ireo ho tsiambaratelo, satria anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro ny filaminana ankehitriny. Manintona ny jiolahy hatrany ireny olona mpikirakira cashpoint ireny sy ny toerana izay iasany. Ny antony dia satria misy vola kirakiraina isan’andro ary mihevitra ny olon-dratsy fa na any aminy na ao amin’ny toeram-piasany izany. Efa betsaka izay namoy ny ainy izany rehefa voatafika ary nisy koa ireo nitondra faisana. Samy efa mailomailo daholo ihany kanefa tsy afaka ny miafina satria ny toeram-piasàna tsy maintsy asiana olona. Dia ireny « grille de protection » kely ireny sisa no mba fiarovana azo atao mba tsy hahafahan’ny olona miditra ao anatin’ny kiosque. Rehefa mitranga anefa ny basy dia tsy misy na inona na inona azo atao. Ao anatin’ny tebiteby toy izany hatrany no iainan’ireo mpitazona cashpoint ireny eto an-drenivohitra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici