Nitrangana fanafihan-jiolahy indray teny Andoharanofotsy ny alin’ny sabotsy 30 novambra lasa teo. Tokantrano iray no niharan’izany tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Araka ny loharanom-baovao, telolahy ka ny iray misarotava no nanatanteraka izany. Nihanika tamboho izy ireo mba hidirana tao amin’ilay tanàna izay mifefy. Taorian’izay dia nongotan’ireo jiolahy ny « grilles de protection » teo amin’ny varavaran-kely mba hidirana tao an-trano. Tampoka tamin’ny tompon-trano ny fidiran’ny jiolahy. Iry voalohany izay nahita fa nitondra basy poleta vita gasy iray sy zava-maranitra ireo jiolahy. Tsy afaka nanohitra arak’izany ireo tao an-trano fa nanaraka fotsiny izay nataon’ireo mpandroba. Ireto farany izay nitaky ny vola tao an-trano sy naka izay rehetra nilainy. Voaroba noho izany ny vola 30 000 000 Ariary. Noraofin’izy ireo avokoa ny telefaonina. Lasa ihany koa ny basy poletan’ny tompontrano sy taratasy momba izany. Rehefa vita izay dia lasa nitsoaka ireo jiolahy. Taorian’izzay vao afaka niantso ny zandary ny niharam-boina. Araka ny vaovao dia teo amin’ny telo ora latsaka teo no nahazo antso ny zandary izay nidina teny an-toerana avy hatrany nanao ny fitsirihana sy nanao fanarahan-dia ireo jiolahy. Saingy tsy nisy vokany izany hatreto. Ny borigadin’Andoharanofotsy no manao ny fanadihadiana.
T.M.