- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversManerinerina RN4 : « Sprinter » nivadika, olona telo namoy ny ainy,...

Manerinerina RN4 : « Sprinter » nivadika, olona telo namoy ny ainy, am-polony naratra mafy

Namono olona indray ny lalam-pirenena fahefatra, teo Ankazobe. Fiara taxi-brousse « sprinter » nitondra terantany pakistaney maromaro sy malagasy no niharan-doza teo Manerinerina, distrika Ankazobe omaly maraina. Vokany mpandeha telo tamin’ireo tao anaty fiara no namoy ny ainy : ny roa no terantany vahiny ary ny iray malagasy. Am-polony any ho any kosa ireo olona naratra araka ny fampitam-baovao azo. Niala tany Antsiranana afak’omaly ity fiara ity ary handeha hihazo ny renivohitra no izao niharan-doza izao. Hatreto ia tsy fantatra mazava izay tena nahatonga ny loza. Fa raha ny angom-baovao azo hatrany dia heverina ho tandrevaka avy amin’ny mpamily, izay somary nandeha mafy ihany no fototr’izany. Toerana mampidi-doza tokoa raha amin’iny lalana miditra ny distrikan’Ankazobe iny satria maro ireo fiolanana sy fidinana tampoka, indrindra fa rehefa avy any avaratra handeha hianatsimo. Mazàna mantsy dia voafitaky ny lalana somary malalaka ny mpamily izay efa vizaky ny lalana ka mandeha mafy. Eo indrindra anefa ilay mampidi-doza, toy ity loza mahatsiravina maro efa nitranga tamin’iny faritra iny, sy ity vao omaly ity. Tamin’ity farany ity moa dia tonga teny an-toeana avy hatrany ny mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy sy nanampy tamin’ny fitondrana ireo naratra, nentina nihazo toeram-pitsaboana. Ireo tena hita fa voa mafy no voatery nampiakarina taty an-drenivohitra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici