Miandahy miambavy mihitsy ireo olon-dratsy mpangalatra môtô amin’izao fa mila mailo tanteraka. Tambazotra iray, efa rain-dahiny tamin’ny fangalarana môtô eny amin’iny faritra Ankadimbahoaka, Ankaditoho ary Tsimbazaza iny no ravan’ny pôlisy avy ao amin’ny sampana misahana ny ady heloka bevava sakelika voalohany, tetsy Ankadimbahoaka. Lehilahy efatra izy ireo ary vehivavy roa, izay voasambotra ny alatsinainy sy ny alarobia lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo dia nisy fahavakisana ny garazy iray teny amin’iny faritra Ankaditoha Tsimbazaza iny ary môtô iray no very tamin’izany. Voalaza fa tsy nandre na inona na inona ny tompon-trano tamin’io fotoana io. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo pôlisy nitondràna ny raharaha ka nanao ny fikarohana. Ny alatsinainy lasa teo dia nisy ny vaovao azo fa tokatrano iray teny amin’iny faritra Ankadimbahoaka iny no nanafenan’ireo olon-dratsy ilay kodiaran-droa very ka dia nidina ifotony teny ireo mpitandro filaminana. Olona efatra sy vehivavy iray tompon-trano no tratra tao ary nentina nohadihadiana. « Niaiky moa ireto farany fa tao aminy io môtô io saingy efa nafindrany toerana » hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Afak’omaly dia nisy indray ny vaovao fa tsy lavitra ny toerana teo no namindràna ilay môtô. « Nosavaina avy hatrany ilay trano ka dia tra-tehaka tao ilay môtô sy ny vehivavy iray izay nanafina azy ». Nentina natao famotorana avy hatrany moa ity farany, nanampy ireo efa voasambotra teo aloha. Marihana hoy ny vaovao fa mbola maro ireo naman’izy ireo ary amin’izany ny tena ati-doha mpikotrika ity halatra ity, izay mbola karohina hatreto. Aorian’ny famotorana azy ireo dia hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana ireto mpangalata môtô ireto.
m.L