- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Fiara nifatratra tany an-tranon’olona, vehivavy bevohoka iray maty tsy tra-drano

Toliara : Fiara nifatratra tany an-tranon’olona, vehivavy bevohoka iray maty tsy tra-drano

Hatramin’ny nahavitana tara ny RN9, dia nisesisesy tato ho ato ny trangana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona tsy manan-tsiny any amin’ny Distrikan’i Toliara II, satria maro amin’ireo mpamily fiara no alaim-panahy mandeha mafy noho ny hatsaran’ny lalana. Afak’omaly, fiara 4×4 iray miloko mena, voalaza fa nandeha mafy no nifatratra tany an-tranon’olona, izay tranovato iray amoron-dalana, tao Beravy, Kaominina ambanivohitra Belalanda, 21 km avaratry ny tanànan’i Toliara raha hiazo ny Distrikan’i Morombe iny. Vokany : vehivavy iray bevohoka no voadona mafy, ka maty tsy tra-drano. Vokatry izay dona mafy izay hatrany, dia potika tanteraka ny lohan’ilay fiara havia manandrify ny mpamily. Raha ny vaovao voaray, naratra mafy ihany koa ny mpamilin’ity fiara tsy mataho-dalana, ka noentina notsaboina tao amin’ny hopitaliben’i Toliara, nefa tsy tana ny ainy na dia nialan’ny mpitsabo nenina mafy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici