- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Mpitondra môtô, naratra mafy, voasakan’ny jiolahy

RN7 : Mpitondra môtô, naratra mafy, voasakan’ny jiolahy

Any amin’ny resaka kodiaran-droa indray amin’izao ireo olon-dratsy no manampatra ny asa ratsiny. Mpitondra môtô iray indray mantsy no lasibatry ny jiolahy tany amin’iny kaominina Antanamalaza, distrika Ambatolampy ny alakamisy maraina lasa teo, teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Vokatr’izay, naratra mafy vokatry ny vono sy daroka nahazo azy ity mpitondra kodiaran-droa ity. Lasan’ireo olon-dratsy kosa ny zavatra rehetra teny amin’ity lehilahy ity, niaraka tamin’ilay môtô « cross » marika Honda izay nentin’ireo jiolahy nitsoaka nihazo ny renivohitra. Olona sendra nandalo no nampandre haingana ireo zandary misahana ny faritra. Ireto farany indray avy eo no nanaparitaka ny vaovao tamin’ireo zandary teny amin’iny manodidina, izay nametraka ny sakana teny amin’ny lalam-pirenena nisavàna ireo môtô rehetra sendra nandalo. « Tsy ela akory dia voasakana ny môtô Honda iray mitondra olona roa, teo Tsinjony, Analamanga Park ». Raha vao tafajanona ilay kodiaran-droa dia nilaza fa handeha hivalan-drano ilay olona iray nentina, kanjo tany dia tsy hita. Ilay namany nitondra azy kosa no tsy afa-nihetsika teo ka noraisim-potsiny. « Teo no nahalalana fa io ilay moto avy nangalarin’izy ireo », hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary. Noho ny ratra mafy nahazo ilay mpitondra môtô moa dia voatery nampiakarina taty an-drenivohitra izy io, ary navantana avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana. Ilay mpangalatra môtô kosa dia efa nentina natao famotorana. Voalazan’ny zandary hatrany fa efa fantampantatra ilay namany nitsoaka ary efa am-pikarohana azy ireo mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici