Tovolahy avy nanendaka ramatoa iray no nosamborin’ny fokonolona teny amin’iny faritra 67ha iny ny alakamisy lasa teo. Sendra ny be noho ny vitsy ranamana ka tsy afa-maina ary natolotra ny pôlisy nony avy eo.
Raha ny zava-nisy : ramatoa iray handeha hiantsena eny Ivato no lasibatry ny mpanendaka raha nihazo lalan-kely iray tsy lavitra ny hôtely tetsy 67ha Atsimo. Tovolahy 20 taona izy io. Nambanany tamin’ny zava-maranitra ity vehivavy ity ka lasany avokoa ny poketra misy ny vola rehetra sy ny entana saika handeha hamidy. Toy ny fanaon’ireo tontakely mahazatra dia nitsoaka nihazo elakelan-trano ranamana, nihevitra fa tsy sahy hanaraka azy intsony ilay voaendaka. Diso hevitra anefa fa narahin’ity ramatoa ity tsimoramora avy ato aoriana. Nony sendra nahita olona mpandalo maromaro nifanena taminy amin’izay ilay ramatoa vao niantso vonjy. Nifanenjehana sy nosakanana avy hatrany ilay mpanendaka ka tsy lasa lavitra dia voasambotr’ireo mpandalo. Notazomina teo mandra-piandry ny mpitandro filaminana.
Ny firaisan-kina tokoa no hery. Ny fiaraha-mientan’ny tsirairay mihitsy no ilaina raha tiana ho fongotra ireo mpanao ratsy sy tontakely fa tsy hiandry mpitandro filaminana lava izao. Mazàna tokoa mantsy dia olona eny anivon’ny fiaraha-monina eny ihany ireo olon-dratsy saingy tsy misy sahy miteny ireo mpiray monina noho ny tahotra ny valifatin’ilay mpanao ratsy na ny fianakaviany. Rehefa misy anefa ny firaisan-kina toy izao, na toa inona na toa inona herin’ny mpanao ratsy, tsy midika n’inona n’inona izany eo anatrehan’ny fokonolona. Tsy adala akory ny Ntaolo nanao ilay oha-pitenana hoe « izay be no basy »
m.L