Vokatry ny tsy fahampiana porofo nentin’ny zandary tao Brickaville tamin’ny fisamborana an’Ingahy Fitahia Joelison, isan’ireo nanafika fivariotana tao Andavakomena Brickaville ny 20 nifoha ny 21 febroary 2019 teo, nefa miisa dimy lahy izy ireo no nanao izany niaraka tamina basy PA vita gasy tokony ho tamin’ny 11ora alina, tao anaty fiandrasam-paty, dia sazy 05 taona asa an-terivozona no azon’Ingahy Fitahia Joelison, raha afaka am-pisalasana kosa Ingahy Victor Célestin, voarohirohy niaraka taminy ary nahiditra am-ponja vonjimaika ny 01 marsa 2019. Raha iverenana ny zava-nisy dia olona roa, dia ilay ramatoa tompon’ny trano fivarotana naratra mafy teo amin’ny masony sy ilay olona mifanila taminy voa bala teo amin’ny tongony. Nitentina iray tapitrisa ariary no lasa tamin’izay ary nampihoroho ny mponina an-tanana tamin’izany resaka remenabila izany ireto andian-jiolahy tamin’ny fanafihana nataony tao Andavakomena Brickaville ity. Niala ny fanenjehana azy izao Ingahy Joelinon saingy nampangain’ny dian’tongony sy dian-kirarony tamin’ity raharaha ity, ka na tsy ampy aza ny porofo nentin’ny zanadry dia io dian-tongotra sy dian-kiraro io no tsy hita niala intsony nandritra ny fitsarana ady heloka be vava teto Toamasina ny talata maraina teo.
Malala Didier